James 2

1Ry rahalahiko, aza mihazona ny finoana an’i Tompontsika Jesosy Kristy, Ilay Tompon’ny voninahitra, amin’ny fiagarana amin’ny olona sasany. 2Ataovy hoe misy olona miditra ao amin’ny fivorianareo manao peratra volamena sy akanjo tsara, ary misy lehilahy mahantra ihany koa miditra manao akanjo maloto. 3Raha mijery ilay olona miakanjo tsara ianao ary miteny hoe: ‘’Azafady mitoera eto amin’ny toerana tsara,” fa hiteny amin’ilay lehilahy mahantra kosa hoe: ‘’Mitsangàna ianao ery,‘’ na hoe: ‘’Mipetraha eto an-tongotro,‘’ 4moa tsy mifampitsara aminareo ianareo? Moa tsy lasa mpitsara amin’ny eritreri-dratsy ianareo?

5Mihainoa, ry rahalahy malalako, tsy efa nofidian’ Andriamanitra ve ny mahantran’izao tontolo izao mba hanankarena amin’ny finoana sy mba ho mpandova ny fanajakana izay nampanantenainy ireo izay tia Azy? 6Fa ianareo dia nanala baraka ny mahantra! Moa tsy ny mpanan-karena ve no mampahory anareo? Moa tsy ireo va no mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana? 7Moa tsy izy ireo va no nanaratsy ny anarana tsara izay anareo?

8Na izany aza, raha manatanteraka ny lalàn’ny mpanjaka ianareo, araky ny Soratra Masina hoe: ‘’Tiava ny namanao tahaka ny tenanao,‘’ dia manao ny tsara ianareo. 9Fa raha manome sitraka ny olona sasany kosa ianareo, dia manota, ka voaheloka toy ny mpandika lalàna.

10Fa na iza na iza mankatoa ny lalàna rehetra, kanefa lavo amin’ny lalana iray monja, dia ho meloka amin’ny lalàna rehetra. 11Fa ilay niteny hoe: ‘’Aza mijangajanga,‘’ dia niteny ihany koa hoe: ‘’Aza mamono olona.‘’ Raha tsy mijangajanga ianareo, kanefa mamono olona, dia lasa mpandika lalàna.

12Noho izany mitenena sy manaova tahaka ireo izay ho tsaraina amin’ny lalàn’ny fahafahana. 13Fa ny fitsarana dia tonga tsy misy famindram-po amin’ireo izay tsy naneho famindram-po. Ary ny famindram-po dia mandresy ny fitsarana.

14Inona no soa, ry rahalahiko, raha milaza ny olona iray fa manam-pinoana izy, kanefa tsy misy asa? Afaka hamonjy azy ve izany finoana izany? 15Ataovy hoe misy rahalahy na anabavy ratsy fitafy sy tsy ampy sakafo isan’andro. 16Ataovy hoe misy iray aminareo miteny amin’izy ireo hoe: “Mandehana am-piadanana, manaova mafana ary mivokisa.‘’ Raha tsy manome azy ireo ny zavatra ilainy ho an’ny vatana ianareo, inona no mahatsara izany? 17Dia toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa izany, dia maty.

18Nefa mety misy olona miteny hoe: “Manam- pinoana ianao, ary izaho manan‘asa.‘’ Asehoy ahy ny finoanao tsy misy asa, dia hasehoko anao koa ny finoako amin’ny alalan’ny asako. 19Ianao dia mino fa iray ihany ny Andriamanitra; tsara izany ataonao izany. Fa na ireo demonia aza mino izany, ka dia mangovitra izy ireo. 20Tianareo ho fantatra ve, ry lehilahy adala, fa ny finonana tsy misy asa dia tsy misy ilaina azy? [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha sasany dia mamaky hoe: “Tianareo ho fantatra va, ry lehilahy adala, hoe nahoana ny finoana tsy misy asa no maty?‘’]

21Tsy tamin’ny asa koa ve no nanamarinana an’i Abrahama raintsika rehefa nanolotra an’Isaka zanany lahy teo amin’ny alitara izy? 22Hitanao fa ny finoana dia niasa niaraka tamin’ny asany, ary amin’ny asa dia nivoatra tanteraka ny finoany. 23Dia tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: “Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina taminy ho fahamarinana izany,‘’ ary izy nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra. 24Hitanareo izao fa amin’ny asa no hanamarinana ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany.

25Toy izany koa, Rahaba mpivaro-tena tsy nohamarinina tamin’ny asa koa ve izy, rehefa nandray ireo iraka sy nandefa azy ireo tamin’ny lalan-kafa? Fa maty ny tena raha misaraka amin’ny fanahy, dia toy izany ihany koa, ny finoana tsy misy asa dia maty.

26

Copyright information for PltULB